<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 Tompo Tsitoha, izahay
 mifona,
 Mba mihainoa, ô mba
 manatòna !
 Ka mamindrà fo aminay
 mpanota,
 Ho afaka ota.

[V2]
 Raha averina aminay mpanota
 Izay mendrika ho anay ho
 valin'ota,
 Dia ho anjaranay re ny hijaly,
 Fa tsy hifaly.

[V3]
 Indro izahay, fa vovoka sy
 tany,
 Reraka, osa, sady mitomany,
 Traty ny mafy
 mampiferinaina,
 Ka mitaraina.

[V4]
 Noho Jesosy Zanaka malala,
 Izay nijaly solonay adala,
 Dia mba vonjeo izahay
 mahantra,
 Ry be fiantra.

[V5]
 Ray be fitia, tokin'ny
 mahantra,
 Mba manampia anay,
 ry be fiantra,
 Fa miandrandra izahay
 mijery
 Anao irery !</lyrics>
<title>Tompo Tsitoha, izahay mifona FFPM400</title>
<hymn_number>400</hymn_number>
<author>J. Cruger</author>
</song>